Toamasina: hampiantrano ny Andron’ny farmasianina 

Hotanterahina any Toamasina, ny 25 septambra izao, ny fankalazana ny Andro maneran-tanin’ny farmasianina. “Ny farmasianina manamafy ny rafitra ara-pahasalamana” no lohahevitra voizina amin’izany.

Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana manoloana ny Lapan’ny tanàna ho an’ny mponina any Toamasina no hanamarihana izany. Eo koa ny fitiliana diabeta sy tazomoka, fanaovam-baksiny miaro amin’ny lefakozatra, vaksiny miaro amin’ny covid19, fanomezan-dra maimaimpoana.

Amin’io koa no hanaovana ny diabe firaisankinan’ireo farmasianina manerana ny Nosy izay hanatrika ny hetsika any an-toerana.

Antoky ny fahasalaman’ny mponina ny fisian’ny farmasianina miparitaka manerana ny Nosy. Misahana ny famatsiana fanafody ara-dalàna amina tanàna maro ary miandraikitra ny fitehirizana izany amin’ny toerana azo antoka mba hisian’ny fitsaboana mahomby.

Ny farmasia no anisan’ny fivarotam-panafody azo antoka sy manaraka ny fenitra takina.

Anisan’ny mampitaraina ny maro koa anefa ny fiakaran’ny vidim-panafody matetika ary niharihary izany tamin’ny fotoan’ny covid19 namaivay teto amin’ny firenena ireny.

Tatiana A

Partager sur: