Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy, ny lehilahy iray nikasa hamono olona tao Morondava, omaly. Tao Tsimahavaokely no nitrangan’ity raharaha fikasana hamono olona ity. Nikasa hamono ny havany ity lehilahy ity noho ny olana teo aminy sy ny fianakaviany. Tsy fifanarahana teo amin’izy samy mpihavana, araka izany, no antony ka nitsiry tao an-tsainy izao fikasan-dratsy izao. Nokapainy tamin’ny fibara (antsibe misy tahony) ny tanan’ilay havany. Nampandre haingana ny polisy anefa ireo fianakaviany ka tonga teny an-toerana nisamboatra azy ny polisy. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy, mbola tratra teny aminy ny fibara izay nikapany ny tanan’io havany io. Nilaza izy fa hoe saika hovonoiny ho faty mihitsy ity niharam-boina ity saingy nalaky ny fahatongavan’ny polisy.
J.C