Tanjon’ny fikambanana MUSEA ny hampita ny soatoavina amin’ny tanora malagasy : fanetren-tena, fahitsiana, tamberin’andraikitra ho an’ireo izay vonona hisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina.
2 000 eo ho eo ireo olona nisitraka ny fandaharanasa natolotry ny governemanta amerikana, mivondrona anatin’ny “Madagascar-United States Exchange Alumni (MUSEA)”, tohanan’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. Nisy ny fihaonamben’ireo rehetra nandray anjara, ahitana tanora mpianatra na efa misehatra amin’ny asa, amin’ny fandaharanasa anatin’ny « Alumni Meet Event 2023 » teny Ankorondrano, mandritra ny roa andro. Tanjona ny hifampizarana ny asa vita sy hametrahana vina ary hijery ny tetikasa vaovao ho an’ny fikambanana satria tapitra anio ny fe-potoana nitantanan’ny birao MUSEA, nandritra ny telo taona, hoy ny filohan’ny fikambanana Rajaonarimanana Tahiry. Ny taona 2016 no niforona ny fikambanana ary maro ny mpikambana mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao anisan’ireo ny tale jeneralin’ny fadintseranena, ny filohan’ny « cours de compte » izay voahosotra ho tompondakan’ny ady amin’ny kolikoly.
Valo ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina, ahitana ny fandraharahana, ny politika, ho an’ny mpianatra mikarakara Master ary mitondra ny vokatra azony tany ho fampandrosoana ny firenena avy eo ireo mpisitraka.
Enina herinandro no naharetan’ny fifanakalozana nataon-dRakotondrainibe Carole tany Amerika, ny taona 2015, tamin’ny fitsidihana firenena enina tamin’ny fandaharanasa “African women’s entrepreneurship program”. Nijery ifotony ny fomba fanaon’ny Amerikanina ho an’ny mpandraharaha izy ary nampihatra izany teto an-toerana nahafahany nametraka ny Nexta ao anatin’ny Vondrona Axian.
Mila tia karokaroka ny tanora…
Entanina ny tanora ho tia karokaroka sy hifehy ny teny anglisy ahafahana misitraka fandaharanasa atolotry ny governemanta amerikanina. Misy ny fifaninanana amin’ny fametrahana tetikasa, eo koa ny fisafidianana ny olona iray avy amin’ny sehatrasa misy azy ka misongadina. Ilaina koa ny manana traikefa arakasa ka ampirisihina ny tanora hianatra asa amin’ny sehatra maro mahaliana azy.
Taorian’ny fiofanana nataony tamin’ny fandaharanasa tany Etazonia, mampiroborobo ny sehatra misy azy avy ny tsirairay. Tsy vitsy koa no nizara ny fahalalany tamin’ny mpianatra, mpampianatra, mpandraharaha malagasy.
Vonjy A.




