Manana tombony ny oniversiten’Antananarivo amin’ny fandalovan’ny manam-pahaizana manokana momba ny teny anglisy izay manamafy ny fampianarana ao an-toerana dia i Robert Emigh.
Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina omaly, ny fiverenan’ny profesora Robert Emigh eto Madagasikara indray, hanamafy ny fampianarana teny anglisy eny amin’ny oniversite. Hisantatra ny taona faharoa amin’ny maha English Language Fellow azy izy ary hiara-hiasa akaiky amin’ny sampam-pampianarana Anglisy ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.
Mpampianatra teny anglisy avy ao amin’ny Norwalk Community College any Norwalk, Connecticut ny profesora Emigh ary manana mari-pahaizana Master of arts amin’ny fampianarana teny anglisy. Manana ny mari-pahaizana manokana momba ny fampiofanana mpampianatra avy ao amin’ny School for International Training ihany koa ny tenany.
Mandritra ny 10 volana no hiasany eto Madagasikara. Hanofana mpampianatra momba ny fampianarana ny teny anglisy sy hanohana ny fandaharanasa fampiroboroboana ny teny anglisy tohanan’ny ambasady amerikanina izy.
Fiofanana manokana sy fizarana teknikam-pampianarana teny anglisy moderina vokarin’ny American English at State, araka izany, no atolony.
Marihina fa misy ny fampianarana sy fianarana teny anglisy isan-karazany azo ampiasaina maimaimpoana ao amin’ny https://americanenglish.state.gov/.
Anisan’ny tenim-pirenena vahiny mahaliana indrindra ny tanora amin’izao fotoana ny teny anglisy. Saika amin’ny teny anglisy rahateo ny boky sy fanazavana ireo fitaovana ampiasaina avy any ivelany ka mila mahafehy izany. Takin’ny orinasa ihany koa ny fahaizana teny anglisy na dia ny fototra ihany aza. Manana tombony ireo mpianatra eny amin’ny oniversite manana ny profesora Robert Emigh manatsara ny fampianarana teny anglisy eny an-toerana.
Tatiana A




