« Tokony ho fantatsika fa tsy ny zaza ihany no mety ho voan’ny aretina lefakozatra fa na ny olon-dehibe koa aza. Misy karazany ny aretina lefakozatra izay mitovy amin’ny coronavirus ihany. Misy olona salama mandehandeha nefa mitondra sy manaparitaka ilay aretina », hoy ny fanazavan’ny Dokotera Manitra Rakotoarivony avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nohamafisiny fa takaitra mandra-pahafaty ny aretina lefakozatra. Rehefa tsy ampy ny hery fiarovana amin’ny fanaovana vaksiny dia izay no tena olana. Ireo tsy manao vaksiny dia hidiran-doza avokoa. « Lefakozatra virus sauvage no fongana tanteraka saingy karazana virus hafa indray ity iadivantsika ity », hoy izy. Rehefa tsy mitandrina amin’ny fahadiovana sy ny fidiovana isika dia miverina foana io aretina io, araka ny nambarany. Manoloana izany, manao fanentanana sady miady amin’ny tay miparitaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Misy ifandraisany ny tay sy ny lefakozatra satria avy amin’ny olona mangery mitondra io otrikaretina io no mamindra any amin’ny olona salama », hoy ny Dr Manitra R. Nambarany fa ao anatin’ny fotoana fiasana isika izao. Ny tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamana dia izay olona rehetra mitady vaksiny dia tokony hahazo vaksiny avokoa. Tonga nanao vaksiny ireo mpiasa ao amin’ny orinasa Filatex eny Ankadimbahoaka izy sy ireo mpiara-miasa aminy, omaly. « Manentana antsika rehetra handray anjara amin’ny fanaovana vaksiny lefakozatra satria takaitra mandra-pahafaty no mety ho azo », hoy ny tale eo anivon’ny orinasa Filatex, Tahina Ramaromandray.
Jean Claude




