Tanàna vaovao taratry ny fivoarana eny Ivato ny “Lake Village”. Ireo tsara vintana amin’ny antsapaka no hisitraka azy ireo.
Notokanana ny sabotsy teo ny “Lake Village” Ivato na ny tanàna vaovao misy ireo building 9, misy rihana maro etsy amin’ny kaominina Ivato. Amin’ny alalan’ ny antsapaka no hahazoan’ ireo mpisitraka izany rehefa vita ny sivana ataon’ny tomponandraikitra, raha ny fanazavan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana.
Porofo hahafahana maneho fa azo atao ny manangana zavatra holovain’ny taranaka fara-mandimby izao asa izao. Vavahady hidirana sy ivoahana eto Madagasikara ny eto Ivato ka tsy hisy tsy hahita ny fiovana na dia eny ambony fiaramanidina aza, hoy hatrany ny filoham-pirenena.
Notokanana niaraka tamin’ izany koa ny fitaleavam-paritry ny polisy nasionaly Analamanga.
Manova tanteraka ny endriky ny tanàna ny fotodrafitrasa toy izao. Taratra avy hatrany ny fiovan’ny tanàna sy ny firenena, toy ny hitan’ireo mpandray anjara tamin’ny lalaon’ny Nosy farany teo.
Manara-penitra
Nanazava ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao fa midadasika ny toerana ho an’ireo izay honina ao, manara-penitra tokoa ny fotodrafitrasa. Hisy toeram-pivarotana goavana ao amin’ io Lake Village io. Hitondra asa ho an’ny mponina izany. Anaty manara-penitra ny rafitra ary voaaro tanteraka.
Mbola hiitatra hatrany ny tanàna fa ampahany amin’izay efa vita ihany ny building.
Hisy tanàna vaovao ao Avaradrano mirefy 20ha ho an’ireo tsy manana petra-bola amin’ny banky na mikarama farany ambany. Ametrahana jiro, rano, sekoly, toeram-pitsaboana izany hiveloman’ireo hanorim-ponenana any.
Tatiana A