Hatao any amin’ny Cisco Antsirabe, ao amin’ny kianja Velodrome, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, anio.
Vita ny herinandro voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina sasany. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra izay mbola tsy nahavita izany eny amin’ny EPP eto an-drenivohitra. Ho an’ny EPP iray anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra; 70 % ny taham-pahavitan’ny fisoratana anarana hatramin’ny zoma hariva lasa teo. Ny 45% amin’ireo anefa no nahaefa 100% ny latsakemboka Fram tsy maintsy aloan’ny ray aman-dreny ho an’ity taom-pianarana ity. Nanao fanekena am-bava sy an-tsoratra ny 25% ambiny fa handoa ny ampaham-bola amin’ny fotoana mety aminy. Tsy sarotiny izahay fa ny tombontsoan’ny ankizy no tsinjovina, hoy ny talen’ny EPP. Tsy mbola nisy toromarika avy amin’ny minisitera mpiahy na ny fanjakana fa hizarana fitaovam-pianarana ny mpianatra ka samy miantoka ny tenany aloha hatramin’izao ny mpianatra. Azo ampiasaina ireo fitaovana tamin’ny taom-pianarana taloha ankoatra ny kahie hanamaivanana ny vola mivoaka amin’ny ray aman-dreny. Mitovitovy amin’io tarehimarika io avokoa ny tahan’ny fisoratana anarana eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra ho an’ny EPP.
Ho an’ny sekoly tsy miankina, ny fisoratana anarana ho an’ny kilonga madinika no mampihazakazaka ny ray aman-dreny fa ny mpianatra lehibe mihisatra, hoy ny talen-tsekoly tsy miankina iray. Anio rahateo vao hiverina an-tsekoly ny ankamaroan’izy ireo.
Nisy fiantraikany goavana amin’ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ny fahasarotana amin’ny vidin’entana, tsy ny kojakojam- pianarana fotsiny fa ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny.
Vonjy A.