Mpampianatra avy amin’ny ENS : hozaraina, anio, ny fifanarahana arakasa

Araka ny fampanantenan’ny fanjakana, hiroso amin’ny fizarana fifanarahana arakasa ho an’ireo mpampianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hotanterahina amin’ny fidirana ofisialy, taom-pianarana 2023-2024, anio, izany. Fifanarahana 816 no efa vita sy hozaraina ka any amin’ny Dren Vakinankaratra, ao Antsirabe, no hisantarana izany, anio. Hitohy any amin’ny Dren Alaotra Mangoro, ao Moramanga, ny zoma ho avy izao. Anjaran’ny Dren Amoron’i Mania, ny 26 septambra, ao Ambositra. Ary ao Andramasina ho an’ny Dren Analamanga, ny 22 septambra. Ny 29 septambra vao hifarana ny fizarana ny fifanarahana arakasa any
amin’ny Dren Boeny ao Mahajanga II ary ao Tsiroanomandidy ho an’ny Dren Bongolava.
Efa misy tetiandro mazava koa ho an’ny Dren 17 hafa. Nanamarika ny minisitera fa mandray ny asany avy hatrany any amin’ny toerana nanendrena azy avy izy ireo aorian’ny fandraisana ny fifanarahana arakasa.

Vonjy A.

Partager sur: