Toby fitaizana ny zaza kambotin’ny polisy : nanolotra fitaovana ny masoivoho amerikanina

Nitondra fanampiana ho an’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena any Ambato­lampy ny masoivoho amerikanina, i Claire Pierangelo, omaly.
“Nifanandrify tamin’ny faha-22 taona nisian’ilay asa fampihorohoroana niseho tany Etazonia ny fotoana”, hoy ny tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Rick Hays.
“Ny fanabeazana no tsara indrindra entina mioitra amin’ny fiainana”, hoy kosa ny masoivoho Claire Pierangelo. Hanampy amin’ny fanamorana ny fianarana ary hanatsara sy hampitombo ny fahaizan’
ireo mpianatra kamboty ireo ny fitaovana nomena.
Nitondra sary vitsivitsy namboarin’ny zanaky ny mpiasa ao amin’ny masoivoho amerikanina ihany koa izy ireo hampirisihana amin’ny fianarana.
Nilaza ny tomponandraikitry ny toby fa tsara ny voka-panadinana farany. Afa-panadinana ireo ankizy 4 nanala CEPE. Ankizy 7 tamin’ireo 12 no afaka BEPC. Ankizy 7 tamin’ny 10 kosa afaka bakalorea. Tanora 8 no nanao fifaninanana hiditra ho polisy ary efa any Antsirabe izy ireo ankehitriny.
Tetsy andaniny, nanao antso amin’ireo malala-tanana amin’ny fanatanterahana ny fanohizana ny fotodrafitrasa ao an-toerana ihany koa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka mba hanatsarana ny fampianarana ny ankizy.

Tatiana A

Partager sur: