Ankoatra ny fizarana sakafo mitondra hery anatin’ny hamehana, hanao tantsoroka sosialy sy hanampy amin’ny fahafahan’ny ankohonana miatrika ny tetikasa vaovao any Atsimo.
Atambatra ny asa nosahanin’ny mpisehatra rehetra miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ho an’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy, hifameno ny tohana sy ny asa ka hisy fiantraikany maharitra amin’ny isan-tokantrano. Napetraka ny tetikasa vaovao, haharitra dimy taona, izay hosahanin’ny Unicef sy ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM), hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ahazoan’ny tokantrano miarina. “Mila matanjaka ny ankohonana ka hanana atom-pivelomana mitohy azo antoka, mijery lavitra”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN), ny profesora Vololotiana Hanta Marie Danielle, omaly, teny Antaninarenina. Kaominina efatra: Itampolo (Ampanihy), Sihanamaro (Ambovombe), Tsoviry sy Ifotaka (Amboasary) no hisitraka ny tetikasa satria nisy fiantraikany goavana tamin’ny fiainan’ny mponina sy ny fahasalamany ny haintany sy ny krizy nateraky ny valanaretina Covid-19. Mitentina 28,5 tapitrisa Euros ny sora-bola hiasana ary kendrena hitondra vokatsoa ho an’ny olona 106 650 amin’ireo kaominina efatra voalaza ireo, hoy ny fanazavan’ny “consultant national” misahana ny tetikasa, Rabenantenaina Jimmy.
Mitohy ny fizarana sakafo
Mbola hitohy ny fizarana sakafo ho an’ny fianakaviana tena marefo hamalina ny hamehana fa hampianarina koa izy ireo hamboly sy hiompy, hatao sakafo sy haodina ho vola miditra. Hahazo tohana amin’ny fisitrahana ny tolotra fototra ara-pahasalamana ny fianakaviana iantefan’ny tetikasa.
Zava-dehibe ny fisorohana mialoha ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny fitiliana (fandanjana sy fandrefesana ny sandry) sy ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tratrany. Eo koa ny fanabeazana momba ny sakafo mahasalama.
Vonjy A.