Paikady roa sosona avy hatrany no hampiharina any amin’ny distrikan’Ankazoabo Atsimo hamongorana ny aretina tazomoka. Anisan’izany ny famendrahana fanafody mamono moka isan-tokantrano tsy ankanavaka. Eo koa ny fizarana fanafody miaro amin’ny tazomoka avy hatrany.
Hetsika mahazatra kosa ny fanentanana ny mponina hatory anaty lay misy odimoka na atoandro na alina, na an-tanàna na an-tsaha. Ny fanentanana ny vehivavy bevohoka hiaro tena amin’ny kaikitry ny moka. Eo koa ny fanadiovana ny tanàna sy ny lobolobo fieren’ny moka.
Fotoana mampirongatra ny aretina tazomoka ny fotoana mafana sy ny fahavaratra ka mila mafimafy ny ady atao. Mbola anatin’ny distrika, faritra, mena amin’ny aretina tazomoka ny any Ankazoabo Atsimo ka izay no anton’ny hanamafisana ny paikady.
Eto Madagasikara, mbola mamono ny tazomoka, indrindra any amin’ireo toerana alavitra toeram-pitsaboana.
Tatiana A