vehivavy Naiditra am-ponja : nampiasa pasipaoro frantsay hosoka

Naiditra am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ny vehivavy iray tratra nampiasa pasipaoro frantsay hosoka. Voasambotry ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izy noho ny fampiasana io pasipaoro frantsay hosoka io, ny 10 septambra 2023 teo. Teo am-pikasana hivoaka ho any Addis-Abeba ity vehivavy ity no hitan’ny polisy fa hosoka ny pasipaoro frantsay nampiasainy. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny polisy misahana ny famotorana manokana momba ny raharaha toy izao ity voarohirohy ity. Niaiky izy nandritra ny famotorana azy fa tena hosoka tokoa io pasipaoro nampiasainy io. Nohamafisiny teo anoloan’ny mpanao famotorana fa rain-janany monina ao Comores no nikarakara io pasipaoro hosoka io, ny taona 2022. Nipetraka tao Comores izy tamin’izany ka nambarany fa 6 000 euros ny vola nanaovana izany. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao.

J.C

Partager sur: