Mahaliana ny olona ny mahafantatra ny fahasalaman’ny fony. Tsy ny sento sy hataitairana no hamaritana ny aretina fa mila tiliana mihitsy. Avy amin’ny karazan’aretina maromaro no mitarika ny tsy fahasalaman’ny fo raha ny fanazavana entin’ny Dr Rabenirina Feno.
Nitondra fanazavana ny dokotera Rabenirina Feno fa maromaro ireo aretina fototra mitondra amin’ny aretim-po. 50%-n’ny olona nanaovan’izy ireo fitiliana no manana aretina fototra mitondra any amin’ny aretim-po.
Izany aretina izany dia noho ny adin-tsaina sy ny diabeta, tosidra, tavy anaty lalan-dra, fifohana sigara, rarintsaina… Aretina mpahazo ny mponina an-tanàn-dehibe matetika ireo. Manomboka eo amin’ny faha-50 taona ny olona no tena miakatra ny aretim-po noho ny aretina fototra tsy voatsabo tsara ka manimba ny fo.
Ny vehivavy no betsaka tonga manao fitiliana ka izy ireo no hita fa betsaka indrindra fa tratry ny aretina fototra.
15%-n’ireo tanora natao fitiliana kosa no fantatra fa tratran’ny aretin’ny fo. Ireo mpifoka sigara be loatra na ireo vehivavy vao teraka no lasibatra… Tsy hadinoina koa ireo aretin’ny fo mahazo ny tanora mpitsindrona rôrô ka mitondra mikraoba any amin’ny valve-n’ny fo.
Misy koa anefa ny aretin’ny fo vokatry ny tsy fahampian-tsakafo, lasa mahia ilay fo ka toy ny tapaka lalan-dra ihany ka lasa mivonto ary tsy afaka manao ny asany tsara intsony. Efa lasa alavitra ny aretin’ny fo amin’izay fotoana izay ary aty amin’ny tany mahantra no tena mitranga izany.
Fahasamponan’ny fo kosa no matetika hita amin’ny ankizy. Mety mahafaty azy dieny kely izany. Mety ho afaka iainana mandra-pahalehibe kosa fa mitarika fahasahiranana ho azy amin’ny lafiny maro.
Fampiasam-batana sy fikoloam-pahasalamana, fandanjalanjana ny sakafo, fisorohana ny tsy hahazoana ireo karazan’aretina fototra no hatao hiarovana ny fahasalaman’ny fo.
Fikambanana Tia Aina Organisation
Nisy ny fitiliana fo andiany faha-14 nataon’ny fikambanana Tia Aina Organisation, tarihin’ny Dr Rabenirina Feno, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Ambohimanarina. Efa nitety faritra maro izy ireo nanatanteraka izay ka nahafahana nanao ny tombana amin’ny ankapobeny.
Ankoatra ny fitiliana ny fo dia manentana ny olona hitsabo ny aretina fototra sy hanaraka ny fahasalamana amin’ireo dokotera ny fikambanana, hanena ny fihinanana sira, siramamy, hiala amin’ny zava-mahadomelina…Mampianatra ny vonjy aina ihany koa raha misy trangan-javatra tampoka. Niforona tamin’ny taona 2020 ny fikambanana ary mifototra tanteraka amin’ny fitsaboana ny fo.
Tatiana A