Hanatanteraka fanehoan-kevitra am-pilaminana ireo sendikà mpikambana amin’ny fiombonamben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) anio, eny amin’ny cathédrale Degs Ankatso. Voalazan’izy ireo fa tsy mahatody herinandro ny karama iray volana omen’ny mpampiasa satria tsy misy mihitsy ny “intégration” ary ambany be ny sandan’ny indemnité natokana ho an’ny trano fonenan’ny mpiasa. Tsy voaloan’ny fanjakana ara-potoana koa ny vacation sy ny subvention ho an’ny sehatry ny fanabeazana ka miteraka olana saika isan-taona mandritra ny taom-pianarana sy rehefa hanatontosa fanadinam-panjakana. Tsy nampiharin’ny fanjakana koa ny “grille indiciaire unique” ho an’ny mpiasa. Maneho ny alahelony koa ny mpiasa fa an-taonany maro no tsy nisy intsony ny fanomezana medaly, mari-boninahitra, ny mpiasa na amin’ny sehatry ny asam-panjakana na ny tsy miankina.
Manasa ny mpiasa rehetra na tsy mbola mpikambana anatin’ny sendikà ny FSMM hanotrona ny hetsika hatao anio.
Vonjy A.