Hametraka fandaharanasa ho an’ny firenena, hotanterahina hatramin’ny taona 2027, momba ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny rehetra ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro ary ny rafitra ivondronan’ny Firenena mikambana. Nisy fakan-kevitra nasionaly notanterahina nandritra ny roa andro izay nifarana omaly. Anisan’ny Nosy mizaka ny vokatry ny loza sy ny tandindon-doza, toy ny fandalovan’ ny rivodoza matetika, i Madagasikara. Voafantina miaraka amin’ny firenena 29 hafa hisitraka ny hetsika iraisam-pirenena momba ny rafitra fampitandremana mialoha ho an’ny taona 2023-2027 i Madagasikara. Tanjona ny ahazoan’ny olona rehetra miditra amin’ny fampitandremana mialoha ny taona 2027.
Efa manana tetikasa maro mifandraika amin’ny fampitandremana mialoha izay manavotra aina maro i Madagasikara.
Vonjy