Kianja Barea Mahamasina: maro lafy ireo vokatry ny tantsaha hita ao amin’ny Foaran’Analamanga

Ambohipihaonan’ireo tantsaha mpamokatra etsy Mahamasina. Vokatra natoraly sy biolojika no ifampizarany amin’ny mpiantsena ao.

Nisokatra omaly ary haharitra 3 andro ny Foaran’ Analamanga andiany voalohany, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, karakarain’ny faritra Anala­manga. 240 ireo tranoheva mampiranty ny vokatry ny tantsaha amin’ny fambolena, fiompiana, jono ary taozavatra.
Ireo tantsaha mpamokatra mivantana sy mpanodina ny vokatra, orinasa madinika sy salantsalany no mampiranty ao.
Sehatra omena azy ireo indrindra izao ahafahany mahita lalam-barotra sy fifanakalozana amin’ny hafa, hoy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery.
Mifandraika amin’ny tanjona dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary fanohanana izany indrindra ny hetsika, hoy kosa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy.
Mandrisika ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny mpamboly madinika, mpamokatra ifotony, kaoperativa, mpandraharaha sy ny andrim-pikarohana ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Loharanon-karena sy hanatrarana ny fanamby ary indrindra iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolena sy ny fiompiana.
Nanolotra masomboly voafantina, vary sy legioma ho an’ny distrika rehetra nandray anjara tamin’ny foara ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny jono.
Betsaka sehatra azon’ny tanora hidirana ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ary manohana azy ireo ny minisiteran’ny Fambolena…
Olan’ny tantsaha matetika ny masomboly, zezika ary ny famatsian-drano. Eo indrindra koa ny lalana amoahana ny vokatra. Ny faritra Analamanga manampy amin’ny fanamboaran-dalana ary porofon’izany ny fanamboarana atao any Andramasina.

Tatiana A

Partager sur: