Tontosa omaly, teny amin’ny Karibotel Analakely, ny valandresaka ho an’ ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny Coalition des sociétés civiles pour le progrès des Malagasy (CSCPM). Fiarahamonina sivily, ahitana fikambanana sy vovonana maro samihafa, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Tanjon’izy ireo ny hametraka fiarahamonina vaovao eto Madagasikara. Maro ny vinan’asa ho sahanin’ity fiarahamonina sivily vaovao ity. Eo ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny fanabeazana sy famolavolana olompirenena vanona.
“Mijoro eto Madagasikara, nanomboka anio (ndlr omaly), ny CSCPM. Mila ialàna ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana, ny fanavakavahana samihafa ary mila apetraka amin’ny toerany ny sokajin’olona tsirairay eo amin’ny fiarahamonina », hoy Rakotomanana Richardson, mpikambana ao anatin’ny CSCPM. Hetsika lehibe ho ataon’ity fiarahamonina sivily ity ihany koa ny fanaovana ny serasera ho an’ny fanovana toetra sy fitondrantena.
Ankoatry ny fanentanana sy ny fanabeazana ny vahoaka. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ny mpitondra ny andraikiny. “Mahaleo tena tanteraka ny CSCPM, ary tsy momba sy baikon’ny atsy na ny aroa, saingy manome hasina sy lanja ny fiaraha-miasa matotra rehetra” hoy ny fampahafantarana nataon’ izy ireo.
Lin