Mpilatsaka an-tsitrapo 2 anisan’ny niverina voalohany teto Madagasikara taorian’ny valanaretina covid19, i Ben Breen sy i Kristy. Nahavita ny asany izy ireo ka hiverina any Etazonia amin’izay.
Mampaneno lakolosy, toy izay ny fomba fanaon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny Peace Corps ho fanamarihana ny fahavitan’ny asany teto amintsika.
Niasa nandritra ny roa taona teto Madagasikara, amin’ny maha mpampianatra teny anglisy sy tenin’ny Tanana azy izy mianadahy.
Lasa maintimolalin’ny Peace Corps na Returned Peace Corps Volunteer (RPCV) any Etazonia izy ireo manomboka izao.
Nisaotra an’i Ben sy i Kristy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, tamin’ny asa fanompoana nataon’izy ireo. Marihina fa mpilatsaka an-tsitrapo voalohany niverina teto Madagasikara taorian’ny nampodiana ireo mpilatsaka an-tsitrapo rehetra niasa tany amin’ny firenena 60 maneran-tany tamin’ny volana marsa 2020 noho ny valanaretina Covid-19 izy mianadahy ireo.
Nankasitraka an’i Ben tamin’ny fananganana English Club roa tao Arivonimamo sy ny fahaizany nianatra tenim-paritra malagasy roa ny talen’ny Peace Corps Madagascar, Mariah Cisse.
Nidera an’i Kristy ihany koa ny tenany noho ny fahombiazany tamin’ny fampianarana ny tenin’ny tanana tao amin’ny ivontoerana fanabeazana marenina, FOFAMA, ao Antsirabe. Miantsehatra amin’ny fanabeazana, fahasalamana, tontolo ambanivohitra ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina tonga eto Madagasikara. Mandray anjara feno amin’ny fampivoarana ny teny anglisy eny amin’ny lycée ihany koa ny ampahany amin’izy ireny ary tsikaritra ny fisongadinan’ny fahaizan’ ny ankizy ny teny anglisy amin’ny toerana niasany.
Tatiana A