Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra amin’ny lozam-pifamoivoizana ny moto. 78% ny tranga mahafaty olona izany, raha ho an’i Madagasikara.
Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro fa 28%-n’ny olona maty maneran-tany dia vokatry ny loza ateraky ny mpitondra kodiaran-droa. Miakatra 78% izany raha ny eto Madagasikara. Maro ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpampiasa kodiaran-droa, toy ny bisikileta, indrindra ny moto. Mitera-doza ho an’ny tenany na ho an’ny hafa ny setrasetra sy tsy fifehezana ilay fitaovam-pitaterana. Eo koa ny tsy fahatomombanan’ireo fitaovana mikasika izany eto amintsika.
Maro loatra, araka izany, ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato aterak’ireo mpitondra kodiaran-droa ireo ka nanaovan’ny minisitera fanentanana manokana sy fampiofanana. Tanora vao erotrerony avokoa no lasibatry ny loza.
Matetika miseho ny loza amin’ny lalana mikodana, noho ny fanamparana ny tanjaky ny fitaovana ampiasaina. Misy indray ny mpanamory mamo sy avy midoroka zava-mahadomelina.
Efa nisy ny naoty izay navoaka mahakasika ny kodiaran-droa sy ny fampahatsiahivana ny lalàna momba ny fampiasana jiro tsy ara-dalàna izay mety hitera-doza eny an-dalana.
Hitohy ny fampiofanana sy fanentanana ireo mpampiasa lalana, toy ny mpamily, tomponandraikitra eny amin’ny tobim-piantsonana, sy ireo lehibena kaoperativa. Voakasika izany koa ny rehetra, indrindra ny ankizy any an-tsekoly.
Tsiahivina fa ny faran’ny herinandro teo no nanao fanentanana teny Andohatapenaka ho an’ny kodiaran-droa ny minisitera. Naverimberina tamin’izany fa tena ilaina ny aro loha hampihenana ny fahavoazana raha sendra loza. Mila hajaina koa ny hafainganam-pandeha.
Tatiana A




