Aretina Alzheimer : ireo fambara 10 tokony hahamailo

Ny alakamisy izao no Andro maneran-tany ho an’ny aretina Alzheimer. Nampahafantatra ireo fambara 10 tokony hahamailo mikasika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Iray volan’ny fampahafantarana ny aretina rahateo.
Tsy zotram-pivoaran’ny fahanterana velively ny aretina Alzheimer raha ny fanazavana ka mila manatona dokotera avy hatrany raha misy mampiahiahy na miseho ny sasany amin’ireo fambara. Anisan’izany ny mety ho fahaverezan’ny fitadidiana sy ny fahasahiranana manao zavatra efa fanao mahazatra. Mety hiseho amin’ny fahasahiranana mamoaka ny teny tiana hambara ihany koa izany. Ny tsy fahalalana ny vanim-potoana na toerana na ilay hoe voan’ny tamberin-tany. Hisy fahasarotana koa ny fahatsiarovana ny fizotry ny zavatra natao, ny fihenan’ny fahaiza-mandanjalanja na fahaiza-manavaka. Fametrahana entana amin’ny toerana tsy tokony hisy azy, fikorontanan’ny fitadidiana amin’ny ankapobeny izay mitranga matetika …
Vesatra ho an’ny ankohonany ireo olona mararin’ny Alzheimer ka mila tohana ara-kevitra. Izany indrindra no an­ton’ny fihaonana amin’ireo fianakavian’ny marary ataon’ny fikambanana Masoandro Mody. Misy koa ny fitiliana ny fitadidiana ataon’izy ireo.

Tatiana A

Partager sur: