Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrangobato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka rahampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana diabeta maimaimpoana sy fizarana fahafody mahakasika izany ny alarobia sy alakamisy.
Mandritra ny hetsika, hisy ny fizarana fanafody fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fitsapana ny tosidra isan’andro. Hisy ny fitiliana ny aretina raboka na tiberkilaozy ho an’ireo izay miahiahy ny amin’izany na ireo nikohoka niohatra ny 3 herinandro. Mampiavaka hatrany ny hetsika ny fisian’ny fitiliana maso maimaimpoana sy ny fivarotana avy hatrany ny solomaso mifandraika amin’ny tsirairay iarahana amin’ny Lions Sight First Madagascar.
Mahazo ny anjarany ihany koa ny zaza sy ny ankizy amin’ny fanaraha-maso ny lanjany sy ny toro-hevitra ara-tsakafo. Tsy hadinoina ny fanaovam-baksiny polio, indroa mitete atao am-bava, ho an’ny sokajin-taona samihafa, ankoatra ny vaksiny ho an’ny zaza rehetra.
Tatiana A




