Fiompiana bibikely : azo ahodina ho sakafon’olombelona sy biby fiompy

Seha-pihariana tsy mbola tena be mpahafantatra kanefa azo trandrahina ny famokarana ireo karazana bibikely (insectes) ho tonga sakafon’ny olombelona sy ny biby fiompy. Manankarena proteina izy ireny.

Tanterahina eny Tanjom­bato, ny 23 septambra izao, mandritra ny « Foara iraisam-pirenen’ny fambo­lena » (FIA), ny fihaonambe iresahana mikasika ireo karazana bibikely azo avadika ho sakafo (Fiham). Mikarakara izany ny Gasy insectes comes­tible (GIC). Azo trandrahina ary havadika ho sakafon’olombelona na sakafom-biby ny karazana bibikely, izay feno otrikaina mampatanjaka tokoa.
Efa maro ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany misehatra amin’izany eto Madagasikara. Seha-pih­ariana azo trandrahina sy hampiroboroboina satria ny proteina azo avy amin’ny bibikely dia sady mamelona ny olombelona no mamelona ny tany sy ny biby fiompy rehefa ampiasaina amin’ny teknolojia avo lenta. Efa ampiasaina amin’ny indostria misahana ny simia sy ny fahasalamana ary ny fikoloana endrika amam-bika ihany koa ny proteina azo avy amin’ny bibikely voaho­dina.
Hetsika voalohany kara­karain’ny fikambanana ny Fiham. Tanjona ny hampiroborobo ny adihevitra miompana amin’ny tombontsoa ara-ekolojika, ara-toekarena ary ara-tsakafo avy amin’ny bibikely. Ireo mpandray anjara ao anatin’ny Fiham dia handrafitra paikady fampandrosoana iraisana ho an’ity seha-pihariana ity. Tanjona ihany koa ny ha­nangana vovonam-pirenena fakan-kevitra momba ny seha-pihariana bibikely fihinana.
Ny fikambanana GIC no mpitondra tenin’ireo mpikambana manoloana ny daholobe sy ireo rafitra ara-panjakana sy fikambanana samihafa. Manangona, miompy, miva­rotra, manodina, manondrana sy manafatra ireo karazam-bibikely fihinana ihany koa ny fikambanana.

Tatiana A

Partager sur: