Natolotra tamin’ny fomba ofisialy hianaran’ny mpianatra ny CEG eny amin’ny kaominina Ivato, izay nasiam-panavaozana tanteraka, omaly. Lasa 15 ny efitranon-tsekoly raha 10 monja teo aloha.
Efa notataovan-doza ireo mpianatra noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa. Antony nahatonga ny fanjakana, tamin’ny alalan’ny faritra Analamanga, tarihin’ny governora Rasoamaromaka Hery, nanapa-kevitra nanavao tanteraka ny toerana, nandritra ny fotoam-pialantsasatra.
Dabilio manara-penitra vaovao 360 isa ihany koa no natolotra, izay marihina fa hahenika tanteraka ny efitranon-tsekoly. Mafy sy mateza ary ampy ho lovain-jafy ny kalitaon’ireo dabilio vaovao ireo. Hatolotry ny CEG ho an’ireo EPP manodidina kosa ireo dabilio tranainy.
Efa afaka mandray mpianatra hatrany amin’ny 1 200 ny CEG amin’izao fahavitany izao raha 800 no zakan’ny sekoly tany aloha, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Randrianarisoa Penjy.
Mitentina amina miliara ny tentim-bidin’ny fanamboarana sy ny dabilio avy amin’ny fitondram-panjakana. Nanolotra jiro cobra ho an’ny kaominina Ivato koa ny governoran’ Analamanga, hanazavana ny tanàna.
Aorian’izao dia hiditra amin’ny fanamboarana ny biraon’ny kaominina ihany koa ny faritra toy ny efa natao tany amin’ny kaominina hafa: Anosiala sy Ambohidratrimo…
Tatiana A




