Sempama : mijoro manohitra ny tsy fanarahan-dalàn’ny minisitera mpiahy

Mafanafana indray ny sehatry ny fanabeazana. Naneho hevitra momba ny fahitana ireo olana samihafa miseho eo anivon’ny minisitera misahana izany ny sendikà.

Misy ny mpampianatra Fram voaray ho mpiasam-panjakana, amin’ny andiany fahavisy, tsy mbola naharay ny fifanarahan’asa avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatramin’ny omaly. Efa nalain’ny Cisco teny anivon’ny Dren ny taratasy fifanarahan’asa tokony ho nomena ny tompony kanefa nambaran’ny tomponandraikitry ny Zap fa misy olana ka naverina any amin’ny tomponandraikitry ny minisitera mpiahy indray. Tsy fantatra anefa ny fototry ny olana, hoy ireo mpampianatra nilaza fa niharan’ny antsojay. “Santio­nany amin’ny olana sedrain’ny mpampianatra ireo fa maro ny zavatra mihatra amin’ny mpanabe, indrindra raha mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpanabe eto Madagasikara (Sempana) izy ireo”, hoy ny filohany, Raha­rivohatra Clau­de, omaly, teny Ambatona­kanga. Anarivony ny fangatahana famindran-toerana avy amin’ny mpampianatra fa vitsy ihany no nahazo fankatoavana avy amin’ny tomponandraikitra mahefa. Manoloana ireo tranga maro ireo, mangataka ny fametraham-pialan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena ny mpitantana ny sendikà ka hamela ny fitantanana amin’ny mpanabe mahafehy ny tontolony. Mijoro ny sendikà manohitra ny tsy fanarahan-dalàna samihafa sy ny fanaovana fitaovana politika ny mpanabe. Mangataka koa izy ireo amin’ny tokony hanajanonana ny fanenjehana ireo tsy mitovy firehana politika amin’ny mpitantana ny minisitera mpiahy. Mitaky ny hikarakarana haingana ny antontan-taratasy tsy mbola milamina miteraka kolikoly ary mahasaringotra tomponandraikitra ao amin’ity minisitera ity eny amin’ny Ten­drom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) ny Sempama.

Vonjy A.

Partager sur: