Tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina eny Ambohidratrimo no notanterahin’ireo sinoa dokotera sy mpandidy, ny zoma teo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana ankapobeny, nanatanteraka fandidiana maika sy fizahana momba ny maso, sofina ary ny ativava koa izy ireo. Teo ihany koa ny fitsaboana manokana ny taovam-pananahana sy ny fitiliana ny soritraretina any amin’ny laboratoara.
Iraka mpitsabo eto Madagasikara izy ireo miaraka amin’ny fikambanan’ny mpiofana sy mpianatra teo aloha, tany Chine (AASEC).
Nahatratra 390 ny isan’ny marary nahazo tombontsoa tamin’ireo karazana tolotra ireo. Hatramin’ny taona 1975, nahatongavan’ireo iraka mpitsabo ireo teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fanomezana tolotra miaraka amin’ny fizarana fanafody ilaina amin’izany, dia manohy ny ezaka nataony mba hitondra anjara biriky amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an’ny mponina ao an-toerana. Efa mandray anjara betsaka amin’ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny Sinoa.
Tatiana A




