Nomarihina, omaly, teny Andrainarivo ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina Alzheimer sy ny mitovy aminy. Nifantoka tamin’ny fitiliana ny fitadidiana ny hetsika. Olona 110 ireo nisoratra anarana mialoha hiatrika izany.
Tsapa fa liana amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny atidoha sy ny saina ny olona. Tsy ny zokiolona irery fa efa miha tanora no liana satria mety misy tranga na fambara mampiahiahy azy ka antony hanaovany fitiliana.
Tratra ny tanjona ho an’ny fikambanana Masoandro Mody mikarakara ireo olona mararin’ny Alzheimer.
Ny DRSP Analamanga sy ny fikambanan Remède no nanao ny fitiliana. Ny dokotera misahana ny fahasalaman’ny atidoha sy ny saina kosa no mandray an-tanana satria alefa manatona azy ireny ireo voatily rehefa hita fa manambana azy ny aretina, araka
ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fikambanana Masoandro Mody, Rason Andriamaro Murielle.
Amin’ny 23 septambra, hisy ny Tontolo andron’ny kilalaon-tsaina ahafahana mitodika amin’ny kilalao taloha, hiverenan’ny fifanakalozana sy fifandraisana am-po eo amin’ny marary sy ny fianakaviany.
Tsy mbola misy mahafantatra ny anton’ny aretina ary tsy hita ny fanefitra manasitrana tanteraka izany hatramin’izao.
Tatiana A




