Manamafy ny fanaraha-maso ny fitsarana ara-bola i Etazonia. Solosaina miisa 48 ho an’ireo biraon’ny fitsarana ara-bola eto Madagasikara no natolotry ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID, hanatanterahana izany.
Hanamafy ny fahafahan’ireo fitsarana ara-bola hanatsara ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fahombiazan’ny fitantanam-bolam-panjakana ireo fitaovana natolotra.
Ity no fampitaovana fanindroany nataon’ny tetikasa “USAID Tantana” izay mikendry ny hanatsara ny fitantanana ny fitsarana ara-bola, amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojian’ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (TIC).
Tamin’ny taona 2021dia efa nanolotra solosaina ho an’ny fitsarana momba ny kaonty ny tetikasa, nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny firenena.
“Ny fanomezana solosaina dia maneho ny maha zava-dehibe ny fampiroboroboana ny mangarahara… hampahomby kokoa ny fanaraha-maso ny volam-panjakana, hahasoa ny olom-pirenena ….”, hoy i Anne Williams, Tale jeneralin’ny USAID/Madagasikara.
Ny “USAID Tantana” dia manohana ny fanofanana momba ny fitantanana, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanaraha-maso ny fitantanam-bola ho an’ny tomponandraiki-panjakana miisa 160, anisan’izany ireo mpiasan’ny fitsarana ara-bola.
Tatiana A




