Nahavariana ny olona ity raharaha niseho tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ny 3 Aogositra lasa teo ity. Manaraka akaiky izany ny minisiteran’ny Filaminana anatiny noho izy mahakasika manamboninahitra polisy iray. Raha hiverenana, nifankahita tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ilay renim-pianakaviana iray teratany malagasy manambady teratany vahiny sy ilay polisy manao fanamiana sivily miaraka amin’ny vady aman-janany. Izy roa ireo mpinamana akaiky fahiny ary samy niakatra tao amin’ny toeram-pisakafoana. Samy nandray toerana nisy azy miandry fiantsoana hiondrana anaty fiaramanidina ilay renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany. Hitsena olona kosa ilay ofisie sy ny vadiny. Nisy fifanatonana niresaka izy ireo, tsy zakan’ ilay ramatoa vadin’ ilay polisy izany ka nanatona nivazavaza ilay renim-pianakaviana vadim-bazaha ny vadin’ ilay polisy. Navoakany koa ny tsiambaratelon’ilay ofisie. Tratran’ny totohondry ilay renim-pianakaviana izay nahazoany tsy fahafahana miasa 21 andro.
Sajo




