Andavamamba : hatsangana ny toeram-ponenana vaovao

Hotanterahina anio ny fametrahana ny vatofototry ny toeram-ponenana vaovao eny Andavamamba. Iarahana amin’ny tetikasa “Produir” sy ny Agetipa, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny asa.
Amin’io ihany koa no hampahafantarana ny endriky ny toeram-ponenana haorina eny an-toerana. Ankoatra izany ny fisian’ny tranoheva fampahafantarana ny tetikasa “Produir” izay misahana ny fanatsarana ny tanàna sy ny lakandrano ary ny fefiloha eto Antananarivo.
Manentana ny mponina manamorona ny lakandrano C3 ny tetikasa hanatrika ny fametrahana ny vatofototra anio hahita mivantana ka tsy ho tompon-trano mihono amin’ny fampandrosoana eny ifotony.
Marihina fa maherin’ny 700 000 ireo mponina iharan’ny tondradrano mivantana eto an-drenivohitra isaky ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Mba hahalavorary ny fikorianan’ny rano amin’ny lakandrano C3 no antony hanalana ny mponina mipetraka eny ka hanamboarana tanàna manokana ho azy ireo. Fotodrafitrasa vaovao, manodidina ny 29, izay afaka mandray fianakaviana hatrany amin’ny 80 mahery no hatsangana.

Tatiana A

Partager sur: