Tontosa omaly ny fihaonamben’ny fampananan’asa ho an’ny olona manana fahasembanana na “Forum Handicap Emploi”, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Andiany voalohany ny hetsika, teo ambany fiahian’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.
Tanjona ny hahafahan’ny mpampiasa, ny vondron’ny mpampiasa ary ireo mpisehatra ny maha olona eny anivon’ireo orinasa mihaona sy mihaino ny filana manokan’ ireo olona mitondra fahasembanana eo amin’ny sehatry ny asa.
Fizarana ny vina mba hananana fiarahamonina mampisitraka ny olona rehetra ny zony na inona na inona toe-batany na toe-tsainy.
Ny fahasamihafana noho ny fahasembanana, na noho ny taona, ny mahalahy, ny mahavavy dia mitondra fahafenoana sy harena eo amin’ny fiarahamonina.
Ho hampahafantarina ireo ezaka tsara izay efa tontosa mahakasika ny fandraisana ireo olona mitondra fahasembanana eny amin’ny tontolon’ ny asa. Manana zo hanana asa, hahazo fiofanana arakasa ny olona sembana mba hahafahan’izy ireo mahaleo tena sy mamelona ny ankohonany.
Tatiana A




