Tsy nisy nipika ny resaka nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny delegasionina, solontenan’ny Firenena mikambana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena tetsy Ampahibe, omaly. Nisolotena ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, ny « Représentant spécial du Secrétaire général des Nations-Unies auprès de l’Union africaine et Chef du Bureau des Nations-Unies auprès de l’Organisation continentale – BNUUA » i Parfait Onanga-Anyanga. Niompana tamin’ny fanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny dingana hanatanterahana izany afaka volana vitsy no anton’ny fitsidihana, araka ny loharanom-baovao. Marihina fa efa avy noraisin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, teny amin’ny Lapan’ny Mahazoarivo ireto delagasionina avy amin’ny Firenena mikambana ireto talohan’ny nahatongavany teny amin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, io omaly io.
Tsiferana R.




