APM sy FSMM : tsy tokony hadroahana mpiasa ny politika

Manoloana ny raharaha hanenjehana ny ka­ma­rady Rakotoarisoa Alban, antsoina hoe babà, delegen’ny sendikà SVS. Na­nao fanambarana ny Fiom­bo­namben’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) sy ny Antoko politika madio omaly, tetsy Antsahavola. Nilaza izy ireo fa tsy manaiky ny fanaovana antsojay sy fandroahana mpiasa noho ny fanehoan-kevitra politika. Tsy misy tokony ho simbaina amin’ny asa aman-draharahany noho ny firehan-kevitra ara-politika, araka ny and-28 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy, hoy ny fanambarana. Noha­mafisin’izy ireo fa malalaka ny fanehoan-kevitra, rehefa mifanaraka amin’ny lalàna velona izany. Hiainana ny demokrasia fa tsy azo atao an-tendromolotra. «Anisan’ny soatoavina demokratika ny fahazakana adihevitra», hoy hatrany izy ireo. Niantso ny fahatongavan-tsain’ny rehetra izy ireo satria voazimbazimba sy voahosihosy ny hasina maha Malagasy. Nangataka ny hanajanonana tsy misy hatakandro ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ny zo sendikaly, ny fanenjehana ny mpiasa malagasy ary ny fanohintohinana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra izy ireo. Ankoatra izay, nilaza ihany koa izy fa tsy manaiky raha olona efa nanala ny zom-pirenena maha ma­lagasy azy no kandidà ho filoham-pirenena. Marihina fa fototry ny olana ny fanehoan-kevitra nataon’ity filoha nasionalin’ny APM ity, nandritra ny adihevitra tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, ny 10 septambra lasa teo.

Mino

Partager sur: