Fahasalamana: tonga eny amin’ny CSB ny « fonds de premiers soins d’urgence »

Ho maimaimpoana manomboka izao ny fandraisana an-tanana ireo olona tra-doza tampoka tonga eny amin’ny CSB. Vonjy aina no hatao ary iantohan’ny fanjakana ny fanafody sy ny fitaovana ilaina amin’ny fameloman’aina sy ny famonjena tsy maintsy hatao.

Hisitraka ny « fonds de premiers soins d’urgence » na ny fandraisana an-tanana voalohany ho an’ny vonjy voina ihany koa manomboka izao ny eny amin’ny CSB, araka ny fampahafantarana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ity herinandro ity.
Maimaimpoana, araka izany, ny fandraisana an-tanana ny vonjy voina eny amin’ny CSB ho fanavotana ny ain’ny marary mafy mila vonjy aina, toy ireo olona tra-doza mila famonjena maika sy ireo marary tampoka. Ny loza rahateo tsy mampandre ary ny tampoka tsy maha lehilahy ka raha sendra ny voina tsy ampoizina anaty fahasahiranana dia raisin’ny CSB avy hatrany ny fitsaboana tsy maintsy hatao eo no ho eo.
Tsy voatery miandry ny fanafody sy kojakoja vidian’ny fianakavian’ilay olona tra-doza, araka izany, vao manomboka ny fitsaboana fa avy hatrany dia misy ireo fitaovana sy fanafody fototra ilaina amin’ny vonjy aina ao amin’ny CSB.
Efa tamin’ny taona 2021 no nanombohan’ny fanjakana ny fandraisana an-tanana ireo tra-doza eny amin’ny hopitaly rehetra manerana ny Nosy sy ny CHRR amin’ireo renivohi-paritra ary ny CHRD 99 any amin’ny distrika.
Izao nitarina aty amin’ny CSB izao indray ny fitsaboana maimaimpoana haingana ireo olona tra-doza tampoka hahafahana mamonjy ny aina mandra-pahatonga eny amin’ny hopitaly raha tsy vita eny amin’ny CSB ny fitsaboana.
Anisan’ny mampitaraina ny fianakavian’ny olona tra-doza teo aloha ny tsy maintsy mbola ividianana ireo karazam-panafody mialohan’ny handraisan’ny dokotera ny marary. Lany amin’ny fivezivezena ny fotoana kanefa aina no vonjena ka matetika tsy avotra ny marary. Ny tena loza rehefa tsy misy vola horaisina amin’ny fitsaboana dia miandry izay hiafarany eo fotsiny ny marary. Midi-trosa na mivaro-pananana tampoka ny ankohonana amin’ny vonjy aina tsy maintsy hatao.

Tatiana A

Partager sur: