Nolaniana nandritra ny filankevitry ny governemanta farany teo ny didy hitsivolana momba ny fifandimbiasan’ny fianarana asa, mifandraika amin’ny famoronana sy fandaminana ny fanofanana amin’ny asa mendrika ho sata maha mpianatra. Mametraka ny rafitra ara-dalàna sy manara-penitra amin’ny fametrahana ny fanofanana sy fianarana asa amin’ny satan’ny mpianatra ny didim-panjakana. Ahafahan’ny mpianatra manambatra ny lesona sy ny fampiharana ary mahazo fahaiza-manao matihanina mandritra ny fianarany ity fomba fianarana ity. Manazava ny minisitry ny Fampianarana teknika fa « ny didy hitsivolana mikasika ny fiofanana momba ny asa sy ny fianarana dia vokatry ny fandinihana lalina sy ny fahavononantsika amin’ny fananganana fiarahamonina mifototra amin’ny fahalalana sy ny fahaiza-manao”.
Novolavolaina tamin’ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra amin’ny fampianarana, ny minisitera maromaro voakasika, indrindra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny Vondrona mpandraharaha eto Madagasikara, ny Tahirim-bola fanofanana arakasa malagasy, ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy ary ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy amin’ny vola ity didim-panjakana ity.
Vonjy




