Hikorontana ny asa an-dranomasina: hahery ny onja mandritra ny hateloana

« Hikorontana ny fifamoivoizana sy ny asa an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andre­fana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny ha­mafin’ny rivotra. Manan-kery manomboka ny alatsinainy ma­raina ho avy izao ka hatramin’ny alarobia ity filazana ity », hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hisy fiantraikany amin’ny fahasarotan’ny fifamoivoizana na faharendrehana an-dranomasina izany. Vokany, nahazo filazana fampitandremana miloko maitso ny morontsiraky ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinana­na, Fitovinany ary Vatovavy. Tombanana hahatratra 45 hatramin’ny 55 km isan’ora ny hamafin’ny rivotra mandritra ireo fotoana ireo. Hahery kokoa ny ranomasina noho ny alondrano avy any atsimo.
Manan-kery hatramin’ny talata ho avy izao ny filazana fampitandremana miloko maitso : morontsiraky ny faritra Me­na­be, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinana­na, Fitovi­nany ary Vatovavy. Tombanana hahatratra 2,5m ka ha­tramin’ny 3,5m ny haavon’ny onja.

Vonjy

Partager sur: