Hisokatra any Dakar Senegal, ny talata ho avy izao, ny Forum Galien Afrique andiany fahenina, izay sehatra hifampizarana vaovao sy traikefa momba ireo olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Ireo aretina tsy mifindra toy ny loza samihafa sy ny aretin’ny fo sy ny lalandra aty Afrika no lohahevitra noraisina amin’ity taona ity. Voakasika koa ny diabeta, homamiadana, fahasalaman’ny saina. Samy olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka avokoa ireo. Tanjona ny hizara ny zava-misy ho an’ireo firenena mpandray anjara sy hanome soso-kevitra hanatsarana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra nefa mamono olona maro. Zava-dehibe ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha ireo aretina ireo, mila hamafisina koa ny fandraisana an-tanana sy ny fahafahan’ny rehetra misitraka fitsaboana sahaza.
Antony mitarika ny 74% amin’ny fahafatesana ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny homamiadana, ny diabeta, ny aretin’ny fo sy ny lalandra maneran-tany. Olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny aretina tsy mifindra, indrindra ho an’ny firenena mahantra na andalam-pandrosoana.
3 000 ny mpandray anjara hanatrika ny fivoriana, ahitana mpitondra fanjakana, manam-pahaizana, mpikaroka, mpitondra ara-drazana…
Haharitra hadimiana ny fivoriana izay hanomezana fankasitrahana ho an’ny mpikaroka, ny orinasa … namokatra fanafody, fitaovana ampiasaina ho an’ny fitsaboana aty Afrika.
Vonjy A.




