Toy ny fanaon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana sy ny sosialy dia hotanterahina eny amin’ny boriborintany fahadimy indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka.
Ny 3 hatramin’ny 6 oktobra izao no hanatanterahana izany eny amin’ny fokontany Soavimasoandro, Ambohidrazana fasana be.
Marolafy ny karazana tolotra ara-pahasalamana hositrahan’ny mponina maimaimpoana eny an-toerana. Anisan’izany ny fizahana ny aretina ankapobeny sy ny fisitrahana fanafody mifandraika amin’izany.
Eo koa ireo karazana fitiliana toy ny diabeta sy raboka. Ny fijerena ny fahasalaman’ny tosidra izay mamely ny sokajin-taona rehetra amin’izao fotoana.
Misy ny ekipa misahana manokana ny fandanjana zaza sy ny toro-hevitra ara-tsakafo ho amin’ny fitomboany ary ny fivarotana ny karazan-tsakafo sahaza izany.
Manome ny tolotra ara-tsosialy amin’ny alalan’ny fihainoana sy tantsoroka ara-tsaina ho an’ireo olona iharan’ny herisetra eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny hetsika.
Ankoatra ireo ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza sy ny olon-dehibe. Tsy hadinoina ny fizahana maso iarahana amin’ny Lion’s Sight First.
Tatiana A




