Ensoa : kaomandy vaovao ny Kly Razafitombo Leva

Ny Ensoa (Ecole nationale des sous officiers de l’Armée) dia sekoly fanofanana ireo manamboninahitra lefitra malagasy. Tontosa tao Antsirabe, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny Ensoa teo aloha, ny Kly Ratsarahevitra Andriamisetra sy ny kaomandy vaovao, ny Kly Razafitombo Leva Naina. Maro ireo manamboninahitra nivoaka tao amin’ny sekoly. Soatoavina miaramila eo anivon’ny sekoly ny fifandimbiasam-pitantanana mba hizara traikefa hananan’ny tsirairay avy amin’ireo karazana teknikam-pamolavolana sy fifampitondrana. Anisan’ireo nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.

Jean Claude

Partager sur: