Andron’ny zokiolona: miohatra ny 60 taona ny 4,5% amin’ny Malagasy

Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, omaly. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Nambarany ta­min’izany ny hanomezan-danja ireo ray aman-dreny sy zokiolona.
«Misokatra eo anivon’ny sokajin’olona samihafa ho fandavorariana sy fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena», io no lohahevitry ny fanamarihana ny andron’ny zokiolona tamin’ity taona ity.
Raha ny antontanisa farany ny taona 2018, miisa 1.150.000 ny zokiolona mihoatra ny 60 taona. Manodidina ny 4, 5% amin’ny mponina eto Madagasikara.
“ Mila misokatra amin’ny fampiatiana na ny fampidirana azy ireo anaty fiarahamonina sy ankohonana ny taranaka fa izany no anisan’ny antoka iray hampaharitra ny fampandrosoana”, hoy ny minisitra mpiahy.
Nanentana ny rehetra hanokana 60 minitra ho fankasitrahana ireo zokiolona ka hiara-hanatanteraka hetsika hanampiana azy ireo amin’ny fiainana ihany koa ny minisitra. Namaranany ny fanambarana ny fanentanana ny mpiara-miombon’antoka sy malala tanana hiara-hientana sy hanolo-tanana miaraka amin’ny minisitera izay tarihiny. “Mila ny fandraisana anjaran’ny rehetra ny fanohanana ny zokiolona. Mila voakasika amin’ny lafiny rehetra handraisany anjara amin’ny fampandrosoana izany”, hoy hatrany izy.

Tatiana A

Partager sur: