Fakana an-kery mateti-pitranga: mampiaka-peo ireo manana toe-tena “varira”

Nanao antso avo ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toe-tena varira. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, nanao fanambarana izy ireo, afakomaly

Mitaintaina sy mandry an-driran’antsy, ary ma­hatsiaro tena ho tsy misy mpiahy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny trangana fakana an-keriny niseho tato ho ato. “Ankilabao ny olona manana toe-tena varira satria raha ny raharaham-pitsarana rehetra dia tsisy vokany, tsy fantatra ma­zava ny sazy nahazo ny olona nohadihadiana. Manaporo izany ny raharaha fakana an-keriny tany Ihosy, Ikongo, Manakara, Morondava, Fara­dofay, Amboasary Atsimo tsy nahitana vokany daholo ireo. Ny tany Amboasary Atsimo aza efa tena tratra ilay olona ary navoaka ny fonja afaka iray volana, ary vao mainka mampihorohoro indray ao an-tanàna. Midika izany aminay fa tsy manisy vidiny ny ainay varira ny fanjakana”, hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Ful­gence.
Niray feo ny mpikambana fa tsy handefitra intsony. “Mampahafantatra ny mpitondra ankehitriny sy izay ho avy eo izahay fa tsy ekena intsony ny raharaha tsy fandriampahalemana mianjady aminay. Angatahana ny hamoahana ny marina rehetra sy hijerena akaiky ny raharaham-pitsarana mahakasika anay izay lasibatra sy vonoina amin’ny fomba feno habibiana mihitsy”, hoy hatrany ny fikambanana.
Manainga ny hery velona sy ny ankolafin-kery rehetra ny fikambanana hanohana azy ireo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
Marihina, araka ny fanambaran’ny fikambanana hatrany, fa nisy fakana an-keriny zazakely varira tany amin’ny distrikan’Ankazoabo, kaominina Ankilizato, tamin’ny herinandro lasa teo. Tsy mbola misy mangirana ny mikasika ny fikarohana.
Efa arovana eny amin’ny tobin’ny zandary ireo fianakaviany. Tsy mbola hita popoka ilay zaza.

Tatiana A

Partager sur: