Mahajanga: mpianatra 25 mianadahy voafantina handalina ny teny anglisy

Mpianatra 25 mianadahy avy ao Mahajanga no voafantina handray anjara amin’ny fandaharam-pianarana “English Access Microscolar­ship”. Notanterahina tao amin’ ny Lycée Philibert Tsiranana ny fizarana mari-pankasitrahana mifanaraka amin’izany, ny faran’ny herinandro teo.
Maharitra roa taona ny fandaharam-pianarana izay tohanan’ny masoivoho Ameri­ka­nina ary tantanin’ny Saint Gabriel Mizara. Mampitombo ny fifankafantarana sy fifanakalozana kolontsaina eo amin’i Etazonia sy i Madaga­sikara ity fandaharam-pianarana ity. Manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpandray anja­ra avy amin’ny firenena maro ihany koa amin’ny fahafehezana ny teny anglisy. Tombony lehibe ho an’ny mpandray anjara izany ary manokatra varavara amin’ireo programam-pianarana hafa any Etazonia.
Mbola ny programa Ame­rikanina ihany no namoahana an’ireo mpampianatra teny anglisy tamin’ny atrikasa “American English community of practice (Cop)”, ny faran’ny herinandro teo hatrany. Niom­pana tamin’ny fananganana sy fitantanana vondrona mpam­pianatra teny anglisy mavitrika ary maharitra eo anivon’ny faritra ny atrikasa.
Antsoina hoe Cop Leaders ireo mpanabe rehefa nahavita ny fiofanana.

Tatiana A

Partager sur: