Nosoniavina ny herinandro lasa teo, tao Toamasina, ny fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny fananganana trano misahana ny asa sy ny fanofanana ao amin’ny faritra Atsinanana (Mefra). Mitsinjo sy mikendry ny tanora, ny vehivavy, ny olona manana fahasembanana, ny mpiasa voaroaka ary ny mponina mavitrika ny Mefra. Mifototra amin’ny fandinihana ny mety ho toetoetra ara-tsosialy sy ara-toekarena ilain’ny orinasa amin’ny fanofanana sy ny asa. Fampiroboroboana ny mponina eo an-toerana (amin’ny faritra) amin’ny lafiny fampidirana eo amin’ny sehatry ny orinasa, fanolorana tolotra vaovao momba ny fiofanana sy ny asa, mba hitarihana sy hanohanana ny mponina eo an-toerana hahalala ny andraikiny, ihany koa.
Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ny tetikasa, nanao sonia ny minisitry ny Asa, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny Governoran’ny faritra Atsinanana, ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria, andaniny. Ankilany kosa ireo mpandraharaha ara-toekarena ao amin’io faritra io, ahitana ny Compagnie générale de l’électricité de Volobe , Ambatovy, ny Port à gestion Autonome de Toamasina ary ny Société de manutention de marchandises conventionnelles.
Vonjy A.




