Miantraika mivantana amin’ny fitadiavanay ity hetsika miteraka savorovoro ity, hoy ireo mpivarotra eny Ambohijatovo sy Analakely hatreny Soarano, omaly.
Tsy maintsy mangorona entana raha vao manomboka ny korontana ary manidy ny tsena sy mamonjy fodiana. Ny alatsinainy, afaka niasa ihany izy ireo hatramin’ny 11 ora maraina. Raha vao nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany, nisavoritaka ny rehetra ka nahorona haingana ny fananana ary nitady taxi-be hodiana ireo mpivarotra. “Tokony ho eny ambony latabatra no mifandamina ireo mpanao politika fa tsy mitarika olona hidina an-dalambe fa sahirana hatrany ny mpivarotra”, hoy ny mpivarotra kojakoja plastika eny Analakely. Omaly, tsy nandeha mihitsy ny tsena fa matahotra ny olona ka nangingina ny tanàna. “Aleo handeha ny fifidianana dia hita eo izay maharesy ary ekena izay vokatra eo fa tsy ny asanay no atao sorona ohatra izao hatrany”, hoy kosa ny mpivarotra lamba tonta. “Tsy maintsy miasa izahay vao mitondra vola mody any an-trano kanefa ao anaty tahotra sy horohoro no hanaovana izany nanomboka ny alatsinainy teo”, araka ny voalazan’ny mpivarotra eny amin’ny pavillon Analakely.
“Vao haingana no niverina niasa indray izahay nefa somparan’ny sasany sahady amin’ ny sakoroka ka tsy rariny mihitsy”, hoy ireo mpivarotra boky tonta eny Ambohijatovo. Tsy zaka koa ilay baomba mandatsa-dranomaso ary kofona sy sempotra daholo ireo mbola nijanona teo an-tsena, ny alatsinainy maraina, hoy ny fanamarihan’ny mpivarotra iray. Be sekoly manodidina eo Ambohijatovo ary sahirana ireo ankizy madinika vokatry ny baomba manempotra.
Mitondra faisana hatrany ny mpiasa tena toy ny mpivarotra izay mbola mandoa hofan-tsena sy haba amin’ny kaominina rehefa tsy milamina eny Analakely sy ny manodidina. Afaka nanohy ny asany izy ireo ny tapany maraina, omaly.
Vonjy A.




