Fampihenana ny loza : hisy fanentanana any an-tsekoly

Tahaka ny isan-taona, misy ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fampihenana ny loza sy ny tandindon-doza. Fiaraha-miasan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) miaraka amin’ny Sampana mitantana ny fifehezana ny hamehana (CPGU). Misy ny hetsika isan-karazany karakarain’izy ireo ary mandray anjara amin’izany avokoa ireo mpisehatra amin’ny resaka loza sy tandindon-doza.
Amin’ity taona ity, ny lohahevitra dia mirona amin’ny ady amin’ny tsy fitoviana hisian’ny ho avy maharitra. Lohahevitra mi­jery manokana ny fifandraisan’ny loza sy ny tsy fitoviana. Tsa­pa fa manamafy ny tsy fitoviana ary manosika ny vahoaka mare­­fo ho ao anatin’ny fahantrana lalina kokoa ny fiantraikan’ny loza.
Nosokajiana ho roa ny fankalazana, misy ny fampirantiana miaraka amin’ny famelabelaran-kevitra isan-tsokajiny atao eto Antananarivo. Eo ihany koa ny fanentanana isan-karazany any anaty sekoly, tontosaina any Farafangana. Mandray anjara amin’ny fampirantiana ny Foibe famantarana ny toetry ny andro izay atao ao Antaninarenina, omaly sy anio, hampahafantarana ny asa ankapoben’ny Foibe amin’ny fotoanan’ny hamehana.

Vonjy A.

Partager sur: