Seces sampana Antananarivo : manameloka ny endri-pandrahonana

Araka ny tapaka tamin’ny fivoriambe, ny alatsinainy lasa teo, mitohy hatrany ny tolona fitakiana ataon’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sampana Antananarivo.
Ny fivoriambe ihany no mandray ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny tolona fitakiana ny zo sy ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, araka ny sata mifehy ny Se­ces. Nohamafisin’ny fanambarana nataon’ny birao fa manameloka tanteraka ireo endri-pandrahonana sy fanambanana asam-pamoretana ary fampihorohoroana ara-tsaina atao amin’ireo mpitarika izy ireo. Tsy vahaolana izany, fa sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona, arovan’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny Lalàmpa­norenana, no fanitsakitsahana ny zo sendikaly rahateo, hoy ny fanehoan-keviny.
Manoloana ny zava-misy nanomboka ny alatsinainy teo amin’ny raharaham-pirenena, manameloka tanteraka ny fampiasan’ny fitondrana he­rim-pamoretana amin’ireo
olom-pirenena manan-jo haneho hevitra ankalalahana ny mpikambana amin’ny Se­ces. Miantso ny mpitandro fi­la­minana ho tandroka aron’ny vozon’ny firenena sy ny va­hoaka tokoa, ka hampanaja sy hampihatra marina ny La­làmpanorenana ireo mpampianatra mpikaroka.
Miandry ny vokatry ny fi­lan­kevitry ny minisitra anio izay heverina fa mametraka ambony ny
tombontsoan’ny tanora malagasy ny Seces, ahafahana mandray ny fanapahan-kevitra hiverina hampianatra raha toa ka feno ireo fepetra hanatanterahana izany.

Vonjy A.

Partager sur: