Marary maherin’ny 900 nizaha fahasalamana tetsy amin’ny fokontany Anatihazo Isotry, boriborintany fahefatra, ny 2 sy ny 3 oktobra maraina teo.
Hetsika manokana notarihin’ny eo anivon’ny tafika malagasy amin’ny alalan’ny Bataillon Médical Ampahibe izany. Mizaha fahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra izy ireo. Nijery ifotony ny fizotry ny hetsika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny mpiara-miasa aminy, omaly. “Tsy misy afa-tsy isika samy Malagasy no afaka mifanampy”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly. Hanampiana ny mponina eny amin’ny faritra marefo sy ho fitsinjovana azy ireo ity fizaham-pahasalamana maimaimpoana ity. Haharitra telo andro ka hifarana anio ny hetsika, araka ny fanamafisan’ny tomponandraikitra, Kaomandin’ny Bataillon Médical Ampahibe, Kly Ravaoavy Hariniaina. Mizaha ny aretina rehetra mifandraika amin’ny filàn’ireo marary tonga ao amin’ny Ecar Anatihazo, ireo mpitsabo avy eo anivon’ny Bataillon Médical. Marihina, andiany faharoa taorian’ny hetsika teny Ambatomirahavavy, ity fitsaboana maimaimpoana atao ao Anatihazo ity.
Tsiferana R.




