Nitombo indray ireo miaramila manam-pahaizana manokana momba ny serasera sy ny fampianarana ireo fitaovan-tserasera. Manamboninahitra lefitra 14 izy ireo izay nahazo ny « certificat technique N°2 »
Notontosaina teny amin’ ny Cercle Mess Fiadanana ny fizarana ny taratasy famantarana ny fahavitan’ny fiofanana, ho an’ny miaramila 14 mirahalahy, afakomaly. Fiofanana momba ny tontolon’ny serasera sy ny fampianarana ary ny fampiasana ireo fitaovan-tserasera no norantovin’izy ireo nandritra ny fiofanana. Naharitra efa-bolana sy telo herinandro izany narahina fampiharana sy fizaran’asa teny an-kianja. Notolorana azy ireo, araka izany, ny «certificat Technique N°2». Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Mazaoro jeneralin’ireo tafika, ny Vice Amiral Assani Bemarivo Jeannot, notronin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila. Nampiavaka ity andiany ity ny fahavitrihana sy ny fandavantenan’ ireo mpiofana tamin’ny alalan’ ny fampiharana mivantana teny an-kianja. Nanamafy ity manamboninahitra jeneraly ity fa hoentina hanompoana ny vahoaka sy ny Tanindrazana ny fahazoana izao mari-pahaizana izao. Avy amina vondron-tafika samihafa ireto mpiofana ireto. Teo ihany koa ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Efa eo am-pandaminana ny fidiran’ny andiany manaraka indray ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika Malagasy.
Jean Claude




