Malagasy mpitsara : nitsara ny lalaon’i Zambia sy i Mozambika

Manomboka mipetraka ny fahatokisana ny Malagasy amin’ny sehatra baolina kitra eto Afrika. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly. Notendrena hitsara ny lalao nifanandrinan’i Zambia sy Mozambika, ireo Malagasy roa, mirahavavy, amin’ny fifaninanana “Cosafa Cup”, sokajy vehivavy, izay atao atsy Afrika Atsimo ny 4-15 oktobra ho avy izao.
Mipetraka ho mpitsara faharoa, nandritra ny lalao, Rakotozafinoro Lidwine Pelagie, raha toa ka fahefatra, i Hanjavola Dominique Rosa. Tsiahivina fa efa mpitsara iraisam-pirenena eo anivon’ny FIFA izy mirahavavy ireto.
Efa nitsara ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila hanaovana ny CAN, vehivavy, ny taona 2022, i Hanjavola Dominique Rosa. Rakotozafinoro Lidwine Pélagie, anisan’ireo nitsara tamin’ny andiany faharoan’ny « Ligue des Cham­pions, CAF» sokajy vehivavy, izay natao tany Marôc, ny 2022 lasa teo. Marihina fa ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagascar, vehivavy, dia mandray anjara amin’ity fifaninanana “Cosafa Cup 2023” ity.

Fitia

Partager sur: