Efa miroso amin’ny fampivondronana indray izao ireo Malagasy mpikatroka, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship”. Fifaninanana hotanterahina any Abu Dhabi, manomboka ny 1 novambra izao. Raha ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu, misy mpikatroka mianadahy vonona hianto-tena ka hanampy ny ekipa nasionaly hihazo an’i Abu Dhabi, ahitana an’i Linjo, sokajy vehivy, tepana “violet” sy i Christian, sokajy lehilahy, tepana fotsy. Araka izany, lasa 13 mianadahy (10 lahy sy 2 vavy) izany no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninanana ity, raha tsy misy ny sampona.
Nanomboka ny alarobia lasa teo no nivondrona tetsy amin’ny Dojo Checkmat Antaninandro, ireto solontena mandrafitra ny ekipam-pirenena ireto, ka nanamafy ny lafiny teknika. Mbola mitohy hatrany mandra-pahatonga ny fotoana hiaingana eto an-tanindrazana izany fanomanana sy fampivondronana izany, araka ny fanazavana hatrany. Araka ny vaovao voaray, misy mpanohana milaza ny hanome “chèque géant” ny ekipa nasionaly, amin’iny herinandro ho avy iny, hanohanana sy hanampiana ny hoenti-manana hahafahan’ireo Malagasy mpikatroka hiatrika ity fifaninanana goavana ity. Mbola manentana hatrany kosa ny federasiona ho an’ireo malala-tanana satria raha ny faniriana dia mba tsy hisy hijanona izy 13 mianadahy fa ho afaka ho any Abu Dhabi avokoa.
Tsiahivina fa sokajy telo no hifaninanan’ny Malagasy dia ny sokajy “Youth”, “Masters” ary ny “Professional”.
Mi.Raz