« Mpampianatra toy inona no ilaina, mifandraika amin’ny fanabeazana irintsika ka manery antsika hitady vahaolana mahakasika ny tsy fahampian’ny mpampianatra » ny lohahevitra napetraky ny Unesco hanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanabe, omaly. Mahatratra 200 000 ny isan’ny mpampianatra eto amintsika amin’izao fotoana izao : 75 000 ireo mpiasam-panjakana ary 115 000 ireo Fram, araka ny fanambaran’ny mpitarika ny kaofederasiona sendikaly Sempama, Raharivohitra Claude, omaly, teny Ambatonakanga.
Voalazany fa mbola fadiranovana ny mpampianatra satria misy mandray karama 110 000 Ar ary tsy voaray ara-potoana indray, tsy araka ny tokony ho izy ny rafi-pitantanana.
Mitaky ny hankatoavan’ny fanjakana ny volavolana didim-panjakana natolotra ny taona 2018 mirakitra ny fanatsarana ny karaman’ny mpampianatra ny sendikà. Eo koa ny tokony hankatoavan’ny tomponandraikitra ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana.
Nitafa tamin’ny mpampianatra ny mpitarika ny sendikà omaly ho fanamarihina ny Andron’ny mpanabe.
Vonjy




